RANOMASON’I ANTSA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASON’I ANTSA…
Hoy i Neny hoe mangina,
fa aza mitomany akory!
Hoy i Neny hoe midinà,
etsy anie fa hotrotrony!
Etsy koa mba hofihininy,
izato silaky ny aina.
Hobabeny sy hovimbininy,
ny vesatra entin’ny saina!

Avelao mba hofafany,
‘ty ranomasonao mirotsaka!
Etsy re mba hanalany,
ny entanao tena mavesatra!

Ny ranomaso arotsakao,
dia fery ao am-pon’i Neny!
Izy koa mba te hitalaho,
nefa toa tsy sahy miteny!
Tsy sahy manoka-bava akory,
ka hilaza ny ao am-pony!
Tsy izy aloha no resi-tory,
fa ianao ry Antsa no tsy foiny!

Etsy aleo fafany,
ny ranomasonao mirotsaka!
Hivavaho fa tena ilainy,
ny maraina vao miposaka!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
254 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208