RAOZIN’NY FOKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZIN’NY FOKO…
Raha sendra sorena aho, ka mitroatra ny foko,
dia ‘lay zaridaina, miravaka loko,
no indro hizarako, ny fery tsy zaka,
mazefatra loatra, mihiboka ràtra!

Raha sendra tomany, na koa mahatsiaro,
dia ‘lay raozin’ny foko, no injao mikalo,
mivetso ny rotsy, mamelona ny aiko!
Ny antsany ihany, no fitonian’ny saiko!

Ny raozin’ny foko, ‘zay hafa fiandoha,
tsy mety malazo, na koa mora lo!
Efitra miavaka, voatahiry ao anaty,
na hiniana ho vonoina aza, tsy hatahorana ho faty.

Ny raozin’ny foko, tsy iza tsy akory,
fa ianao ihany, ‘lay nahafahako nitory,
namoaka ny fery, tsy hita hositranina.
Kanefa nahagaga, fa vao hitanao, dia nalaky nijanona!

Ry raozin’ny foko, meteza ho namako,
tsy hikiry ny hamadika, na handrava ny anjarako,
fa hitolona hatrany, hahasambatra ahy.
Hamafa ny sentoko, sy ny ahiahy!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217