RAOZY MAINTY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZY MAINTY…
Iray faka tamin’ny voa,
iray fototra amin’ny fo,
iray tany faniriana,
iray sento sy hafaliana!

Ny hafa nefa meva ihany,
fa ny azy loko hafa kely,
na dia iray vovo-tany,
izy meva fa tsy anjely!

Eo an-jaridaina eo,
toa misy voa hafa filoko.
Hitako vao taninkeo,
mainty ny azy ny loko.

Tsy hoe tody anefa izany,
na koa ozona nazera,
fa tena lahatry ny tany,
ilay loko tsy mba mena!

Raozy mainty toa miendrika,
endri-jazavavy iray.
Mitaraina fa toa rendrika,
voadoro ny afobe mamay.

Izay afo toa narehiny,
tan-tontolon’hadalana.
Nefa indrisy tsy voafehiny,
ka nihitatra mazàna.
Nihitatra namoy ny felany,
nandrotika ny vony mangany.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
312 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215