RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO…
Raha nandinika aho nijery, nitinazana ny hitako,
dia ‘reo miendrika anjely, ny volon-draozy naparitako,
nanoloana ‘lay saha, saha fivoliko ‘reo lisy,
taitra tampoka aho anefa, nanahy ‘ty raozy iray indrisy,
hafa loko, hafa fiaina, hafa toetra, hafa fomba,
tamin’ny raozy novoleko, izy irery no voafonja,
voafatotry ny felan’ireo lisy maro be,
izy irery no raozy, namaky felana lehibe.

Raozy mainty an-jaridaiko, nampivarahontsana ahy,
tsy mba voa nolalaiko fa, nitsiry ho azy teo antsaha,
izay sahan’ny fifaliako, zary niova sahan-tomany,
nitsiry izy tsy niriko, dia nanindrona ahy hatrany,
nanitatra ny tadin-jaitrako, izay namatotra ny ràtra,
nanindrona ahy toa tsy laitrako, ity raozy tsy nahazatra,
tsy fahitako antsaha, an-jaridaina toy izao,
ianao io raozy io, ianao dia ianao.
RRAG
21 Janoary 2004
--------
Rohy:
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103