RAVINA NAHINTSANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAVINA NAHINTSANA…
Toy ny fo ‘ray tena tia, dia misy foana sotasota.
Misy esoeso lava, handringanana ny osa.
Misy latsalatsa teny, handotoana ny madinika.
Misy miezaka mangina, misy minia mikitikitika.

Manararaotra fahefana, mireha hery tsy mitovy.
Manararaotra fahajambana, tsy mba misy taho-tody.
Mieboebo toa andrina, tompom-pahefam-bahoaka.
Ny marina anefa, tsy ho ela dia hivoaka.

Saingy ny ravina nahintsana, tsy haka ny toerany intsony.
Zary zezika ireny, zezik’enti-mampitony.
Fo mamery feno ràtra, rakotra dian-kapo-by.
Zezika entina mamboly, ravim-baon’ilay fitia.
RRAG
29 Aogositra 2004
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021