You are here: home > Vetso

REKO... - RRAG

Azo vakiana?

REKO...
Reko io maraina io
ny hiakan'alahelo
nandrotika ny fony!

Miendrika tadio,
aloka mihelo....
Rivotra tsy tony!

Reko ny gogony
mandatsaka tomany
misento am-panembonana!

Voatsindrona ny fony
dia nifongatra ny omaly
namelam-pahatsiarovana!

Nanentona ny fofon'
ny fery aman-taona
noheverina efa maina!

Dia reko ny tolokon'
ny ravina misaona,
fa mihintsam-bony maina!

Fahoriana 'zany no ivelomana eto!
Fifaliana kely dia mivadika ho sento!
Toa hatrany an-drangolahy no hoe izay ny fiainana!
Indrisy takom-pery tsy afaka ho foana ny fanaintainana!
RRAG
17 Jolay 2021