RENY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENY…!
Mahantra fitia, mahantra harena,
mahantra fitiavana ity firenena.
Mivelona irery, tsy ankiteniteny,
nivelona irery ity tanikely.

Ry Reniko malala, ‘zay tsy misalasala,
Reny tsy foy, tsy manan-tsahala.
Reny be fitiavana, tsy mba miavona,
Reny fitaratra, tsy avelako ho zavona.

Niaritra ny mafy, rovitra fitafy,
nihinana ny bitika, nihafihafy.
‘Lay Reniko izay, nijaly noho izaho,
Neny tsy foy, tsy diniko ianao!

Nitady ny mamy, sy izay nahasoa,
nandefitra hatrany, fa manam-po.
Miady amin’ny vintana, efa tsy anjara,
ny fo feno fery, ny fitia mizarazara.
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
561 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217