RESAKA FITIA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESAKA FITIA...
Vao resaka fitia dia, eo ny resa-po.
Aza hadinoina, fa eo ihany koa,
ny resaka alahelo, sy resa-pifaliana,
itoeram-pahasambarana, sy ny fijaliana.

Ny resaka fitia dia, resa-pifamatorana,
eo amin'olon-droa, na maro tsy voasoratra.
Resa-pahafahana, resa-tsakantsakana,
sarotra takarina, fa toa maro sampana.

Ny resaka fitia toa, misy fifanoherana,
fototry ny fankahalana, tsy hay fahataperana.
Saingy ny fitia, fifamatoram-po!
Oay! Tena izany ve, izay tokoa moa?

Ny resaka fitia hoy aho, toa resa-misitery,
tontolon'ny fahafahana, tontolon-teritery.
Tsy fantatra dia tiana, namana sakaiza.
Olona akaiky fo dia, mety hifarana aiza?
RRAG
22 Janoary 2018
--------
Rohy:
400 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022