RESAKY NY MPIVADY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESAKY NY MPIVADY…
Tsaroako malala a! Foiny isika roa, vao niarakaraka,
dia azoko daholo izao sy izao!
Fa vao nivady isika ka tena hoe tafaraka,
ny fitsingerenan-taonako aza, hadinodinonao!

“Izao anie ry tiako e! Izao no tadidio,
hoe tsy mitovy intsony ny omaly sy ny anio.
Ny isan-jaza koa moa, ‘ty efa mitaky,
avy eo reraka ny tena, ka mila ny hitapy!”

Taloha kosa akia a! Dia oroka nisesy,
natolotrao ny molotro, hifanesisesy.
Ny teny tiako koa, tsy ambakan’izy ireny,
hila isa-minitra ianao dia mahaloa-teny.

“Tsy hoe hadino kosa e! rera-dava aho.
Reraky ireo asa, avy any amin’ny birao.
Dia hatraty an-trano dia mbola very saina,
na segaondra iray aza, tsy ahafahako miaina.”

Ny asa ve no mafy dia izahay no tsy tsaroana a?
Ka ny resaky ny ankizy, tsisy valiana fa moana!
Ireny ry zareo, mba hoe miangotingoty,
dia tsy mba mahazo akory, izay mba rotsirotsy.

“Ny anao koa ‘ty toa loza! Ilàna vaniny avy,
izay rehetra fihetsiko, fa tsy handeha aloha mandry.
Leo aho! Leo ‘ty monomonona,
fa ‘ngamba mihitsy ianao, miheno vavan’olona.”

Malala a! Sao izato ianao, hilaza ny tsy hanontaniana,
ka mailo avy hatrany, resin’ny hovi-panahiana.
Toa hafahafa ihany mantsy, izato fihetsiketsikao,
toa ohatran’ny hoe hamboraka, ny hadalana izay natao!

“Aoka mihitsy izay e! Tena aoka fa mahasosotra,
ny anao dia ràtra an-teny no hany avoaka molotra.
Tsisy tambitamby, tsy ahitàna fampaherezana!
Ianao koa moa ‘zany ka, mihevitra ahy ho vendrana a?”

Ialako tsiny raha toa ka nahatezitra, saingy ilain’ny saiko,
ny mahalala izay marina, afeninao ry aiko.
Tiako ianao tsy laviko, fa raha mihoatra ny eritreritro,
dia aza omena tsiny aho fa, tena tsy holeferiko.
RRAG
03 Septambra 2019
--------
Rohy:
538 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175