RITSOKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RITSOKA…
Tsy tomombana ny saina,
ary tsy lafatra ny fo.
Toy ‘lay andron’ny maraina,
tsy voatery hamoka-tsoa.
Ny vary aza tsara toto,
misy ritsoka manaraka.
Ny lamba fotsy mitan-doto,
manam-petra manasaraka.

Tsy voatery ny fo hitia,
fa mety koa mba mankahala.
Tsy ho manga koa ny dia,
raha tsy hisy fitsapana.
Toy ny ritsoka mikiry,
manahirana mpahandro.
Dia ny fitia izay mitsiry,
misy sedra isan’andro.

Tsy ho tanteraka avokoa,
ny tombantombana natao.
Misy aza ireo mahasoa,
isan’ny hadinonao.
Tsy tsaroana intsony ireny,
noho izy efa an’ny lasa.
Saingy ianao tsy sahy mijery,
manombantombana ‘zay kasa.
Dia lazainao fa ritsoka,
manakana ny dianao.
Ny masonao ny hoe ditsoka,
nefa ianao no tsy hanao.
RRAG
01 Janoary 2013
--------
Rohy:
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202