ROVAN'NY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROVAN'NY...
Ngoly ny aty,
mimaona ny lela!
Ireo andrarezina ve ny hoe maty,
sa resin-tory dia any tavela?

Fa dia nangina ny hira fivetso,
tsy re 'rony sento!
Nihenahena ny tany,
dia 'njao latsa-tomany!

Ry lanitra ambony a!
Nahoana loatra,
no tsy avela hitony,
ny fony mitroatra?

Iza izany no hampahery,
raha 'lay nantenaina aza lavo?
Ireo kalo fivetsony teny ho eny,
koa no efa babo!
Natolefiky ny fijaliana,
tan-drovan-dRafahoriana!

Dia fasana 'zany no atao akany,
rova hanjakana!
Ny hany azo atao dia ny mitomany,
fa ny ainy tsy tana!
Sa izy mihitsy no efa tsy tamana?
RRAG
01 Aprily 2021

Mandria am-piadanana Ndriana (tarika ndriana ramamonjy) sy Monique (tarika ny voanio)
--------
Rohy:
270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209