ROVAN’NY SAFIDY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROVAN’NY SAFIDY…
Ao anaty fo mangina, ‘zay mangina tsy miteny,
no mitoetra ny fitia, mihiboka ao anaty.
Ao anaty fijaliana, ianao tsy misy mba mijery,
no misy ihany ireo fỳ, sy tsiro tsy mba maty.

Ao anaty akanim-po, manantena fahafahana,
no manjaka ny safidy, nofinofi-mpanantena.
Ao anaty ny soa, no misy haizin’ny fasana,
rovan’ny safidy, tontolom-paharesena.

Ao anatin’ireo boky, fitanisa alahelo,
no misy hafaliam-po, noho ny fahazavana.
Ao ihany koa, dia ahitana alahelo,
saingy tsy mahagaga, fa vokatra hafokana.

Eny an-tratran’olon-tiana, no misy sento sy tomany!
Ao anaty faniriana, no mety hampijaly!
Ka ny rovan’ny safidy, izay heverim-po ho kanto,
no hamadika ny dina, ka hanova izay voaranto!

Ao an-drovan’ny safidy, notinefin-daha-tendry,
no ahitana hidihidy, sy ràtra iray mikinendry,
hanitatra ny zaitra! Efa hadiva ny ho maina!
Sady ao koa, no fitobin’ny taraina!

Ao an-drovan’ny safidy, ‘lay notohofana fitiavana,
no misy akany iray mangina, fitoeram-piadanana.
Kanto bika, hafa toetra, miavaka amin’ny tontolo!
Ny soa rehetra irinao, dia mitsiry daholo!
RRAG
11 Janoary 2013
--------
Rohy:
231 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184