RY ANTSA, MITOMANY I NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ANTSA, MITOMANY I NENY…
Ry Antsa! Mitomany i Neny!
Mitomany mangina, dia manadino ny andro,
nahamalomalok’endrika! Dia mangina tsy miteny!
Ka manome tsiny, ny taratry ny masoandro!

Mitomany i Neny, misentosento irery,
ery an-jorontrano! Mitazana mijery,
‘lay vola-mibaliaka, mpiambina anao!
Toa tsy mba namaly, ‘lay fony nitalaho!

Misento mitomany, miondrika mivetso,
irony tononkalo, nosoratany ho anao!
Manakimpy maso, mitomany dia misento,
mijery an’eritreritra, ny sarin’endrikao!

Ry Antsa! Mitomany i Neny!
Indraindray mingonongonona, miteniteny irery!
Indraindray dia mitomany, mangina tsy miteny!
Ry Antsa ô! Mitomany i Neny!

Tsy foiny mantsy ianao,’lay faravavin’ny ainy!
Toa satriny hiangoty, an-tratrany eny hatrany!
Kinanjo izany anefa, zary aretin-tsainy!
Nahatonga ny tomaniny, ny nandaozanao ny akany!

Ry Antsa, mitomany i Neny!
Asa raha renao, ity izy mitomany?
Misento! Mivetso! Mangina! Dia injay fa tsy miteny!
Mba renao ve, ‘ty fony toa mijaly,
ka tsy afaka manohitra, dia aleony mitomany?
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
308 1
Mpakafy: ANARIM
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177