RY FASAKO MANGINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FASAKO MANGINA…
Aza mbola manantena,
ny hahita ahy akory.
Fa mety mbola ho elaela,
hoy ‘ty foko mbola tony,
vao hihaona angamba isika,
raha to any lalana ho tafita!

Aza miandry ahy,
na manisa ny andro sisako.
Aza dia velona ahiahy,
fa hamangy ihany aho raha sitrako.

Ry fasako mangina,
aza misento ho ahy akory.
Fa mety tsy ho ela,
izaho sy ianao ho tafavory!

Ka hiara-hamaky sedra vao,
tsy hiorenam-pahantrana,
ary tsy takatry ny talaho,
ilay niboko fahadalana.

Ry fasako, aza manameloka ahy,
raha toa ny saiko, ka tsy sahy,
ny hiara-hitoetra eo aminao,
eo henoy, henoy re aho.

Tsy foiko loatra mantsy izy,
ràtrako ny ranomasony.
Fa raha kosa hoe voadidy,
eo dikao mba tsy ho ankasony.

Ry fasako, akany faharoako,
mba mandefera! Raha mbola azonao atao!
Ry akany fialofako! Toa tsy maintsy hodikaiko,
izay tendrin-dahatrao.

Aleo anefa, raha sitrakao,
hosoritiko ny lahatra.
Mba tsy hisy izay talaho,
ho ranomaso tsy hitsahatra.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207