RY FOKO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FOKO...!
Ry foko, fa dia nahoana kosa re, no midoboka ohatr'izany,
miredareda toy ny afo, ny anatiko rehetra?
Nefa izaho sy ianao fahiny, tsy nahalala izay tomany,
ny filàm-banina aza, tena toetra tsisy fetra!

Tsaroako ireny aho vao nitia, tsy nanisy lanja akory,
ny hasarotam-piaron'iny tovovavy tiako iny.
Asa, ianao mihitsy angamba, no mbola tena resi-tory,
ka tsy mahatsapa tsara, fa tena tia ahy izy iny!

Ny hasarotam-piarony e! Nahasorena ahy 'ndraindray.
Ireo fandraràna sesehena, noheveriko, tsy ho fitiavana ahy.
Dia ady foana no mamarana, ilay fotoana ihaonanay.
Ranomaso no eny an-tavany, izaho anefa, tsy niahiahy.

Tsy nihevitra akory, fa tena tia izy iny.
Tsy nandinika ny fihetsika, feno tambitamby avy aminy.
Ankehitriny anefa, dia mifoha ny fahiny.
Izaho 'lay nampijaly azy, no tena saro-piaro aminy.

Ry foko, tsapako, eny, tena tadidiko! Sady toa manaikitra ahy.
Ireo setrasetran-teniko, nandràtrako azy iny.
Misento, marary, hontsa hatramin'ny fanahy.
Vao mitamberina manindrona, anao ry foko ireo fahiny!

Ry foko, ny antsoantsoko aza, toa tsy reny intsony.
Efa kivy tamiko izy, tsy te hahita ahy akory.
Ekeko, tsy nanalavitra ahy ny tenany, fa kosa raha ny fony!
Tena tsapako fa reraka, dia niverina natory!
RRAG
28 Martsa 2017
--------
Rohy:
293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021