RY ‘LAY TSY TIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ‘LAY TSY TIA…
Tsy ‘lay tsikinao nanori-tava,
na ‘reo teny mamy naloakam-bava,
no entina indray hambaboana ny foko,
satria raha ianao dia efa nafoiko.

Efa nasoloko fitia ‘ray vaovao,
‘lay hany nahafafa ny rimbon-talaho,
izay navelanao tanatin’ny foko,
iny ‘ndray izao ‘lay tokan-tsy foiko.

Tsy ‘lay tambitamby miary angola,
na ‘lay ianao somary niangoty dia nidola,
no hampitsimoka ny efa naleviko,
fa ny ahy efa izay no farany hevitro.

Tsy tiako ianao toa halan’ny foko,
leo izy manko ny mbola hitoloko,
hitalaho aminao ny hoe mba hiverina,
ny lasa efa vita aza toa zary nenina!

Ry ‘lay tsy tia hoe tia ‘ndray ianao?
Eny, tia indray ianao fa sambatra aho,
kanefa fahiny dia ory aho tsy anao,
izao indray dia hoe fanananao?

Nofiso any ho anao izay toky vaovao,
nofiso any hampitony ny tsy zakanao,
fa ny ahy ny fitiavako tsy ho anao intsony,
fa efa any ankafa no nikiry namony!
RRAG
04 Desambra 2018
--------
Rohy:
978 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163