RY RAY AO AMBONY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY RAY AO AMBONY…!
Ry Ray ao ambony, ‘ty aho mitalaho,
mba tsinjovy re, ‘lay Reniko ao.
Reraka loatra, ny adim-piainana.
Nefa tsy manana, izay hitarainana!

Valio ny angatahiny, raha sitrakao.
Fa hontsa anie Tompo, ‘lay Reniko ao.
Valaka mihitsy, fa tsy afa-mitroatra.
Ny sasany anefa, mbola manararaotra.

Mbola misavily, ny harerahany.
Maka tsy miera, ireto fananany,
hany voangony, hamelomana anay.
Mba jereo re ry Ray, ‘zay Reniko izay!

Tsy maninona akory, na dia tsy ho isan’andro.
Fa omeo azy, izay anjara masoandro.
Ny fahasalamana, ny fitiavan’ny zanany,
arovy ry Tompo, izay kely ananany.
RRAG
19 Desambra 2012
--------
Rohy:
440 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226