RY TENINDRAZAKO LALAIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin’izao iray volan’ny teny Malagasy izao dia fifaliana lehibe ho ahy ny manoratra sy manolotra ity amboara iray ity. Eo: “Raiso anatra ny tsara, ovao ho soa ny ratsy”.

RY TENINDRAZAKO LALAIKO…
Asa re ankehitriny, raha mbola hihaino ahy ianao,
tamin’ny sotasota vitako, ny rafidrafi-tsoratrao.
Nafangaroko litera, ‘zay nanjanahany ny saiko!
Teny vahiny izao no am-bavako, fa ny ahy ity tsy haiko.

Dia misosasosa ery, izato lelako miteny,
hoe tsy handroso na oviana, ireny teny Gasy ireny!
Saingy izao no tsy tsapako, fa raha mitady fandrosoana,
dia ny an’ny tena no hajaina, ary koa kolokoloina.

Ry tenindrazako lalaiko, ialako tsiny indrindra,
ny avonavona nataoko, ka nandrava izay voarindra
sy voarafitry ny tanan’ireo zoky nodimbiasiko!
Tamin-tsy mba nanajako, anao ‘lay fototry ny hasiko!

Ry tenindrazako lalaiko, raha toa ka azonao fafana,
dia asio fanadiovana, irony lasam-pahajambana
nandrotehako ny lanjan’ny satan-drafi-teninao.
Raha misy diso izay ambarako, eo fafao dieny izao!
RRAG
01 Jona 2020
--------
Rohy:
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222