SADAIKATRA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SADAIKATRA!
Fa lany lehilahy sa tsy ampy vehivavy,
no dia tokana iny no ifarombahana?
Mitotoa koba raha te hatavy,
fa tsy revo amin'ny fitia izay angalarina!

Ny eny an-tanana moa no tsy meva,
no mikaroka hafa hanaovam-pilana?
Na tamin'ny andron'i Adama sy i Eva
aza ve, dia ho havesatra toy izao ny fahotana?

Sadaikatra kely ny tena hilaza,
fa fijangajangana no mameno ny tany?
Na aiza ny ombana, eny na ho aiza,
dia io fitiavana io fizakan-draha tsy tanty?

Sangy daholo ireny fa ny tiana itodiana,
dia tokana ihany ny fo ao anaty!
Maninona moa rehefa iny no tiana,
tsy iny no tiavina mandramaty?
RRAG
01 Jona 2021
--------
Rohy:
214 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067