SAFIDY… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY… (SAFIDY: 2012)
Fony ianao tsy fantatra, tsy hita ho antsoina,
dia efa tian’ny foko, tsy foiny hosoloina,
na dia tsy voavoatra, tsy mbola vita rafitra,
nahandry anao ny foko, nahavita ny niaritra!

Safidy ianao, fa tsy an-tery,
tsy novozonana holanjaina, fa sedra iray mahery,
fa zary hantahanta, tsy lefin’ny feriko,
‘lay fahazazanao, nitambatra ho tsianjeriko!

Safidy ianao, safidin-dRay sy Reny!
Safidy ianao, fa tsy ditra teny ho eny,
ka rariny raha taho, mihazona ny ravina!
Safidy ianao, satria nahay nandravona!

Foiny ianao zaza, nibadabada lela,
nanohina ny foko, raha ‘reny sendra hianjera,
dia notatazako, notantanako hamindra!
Tsy ho ela angamba ireny, dia lova tsy mifindra,
entinao miampita, manovo fahalalana,
entinao mandositra, ‘zay fofon’hadalana!

Safidy ianao, safidy sarobidy indrindra!
Ianao ilay fanilo, nahafahana nandrindra,
nahafaha-nampitony, ny fo efa manolatra,
nahafahana nangina, nampikombona molotra!
Raha sendra fahoriana, sedra iray tsy zaka,
dia ianao ilay safidy, no hany nampitraka.
nanarina ny fo, hahay hisedra ny adiny!
Nanohana ny saina, hanohitra ny fadiny!
RRAG
Septambra 2012
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788