SAFO BE MANTSINA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFO BE MANTSINA...
Kinga 'ty vava hanameloka anay,
dia manilikilika an-teny mandràtra.
Ompa sy latsa, arahin'ozo-mamay,
no rano fisotronay efa mahazatra.

Ny hafa no naka ny harinareo,
dia 'zay mavomavo no 'ndrao voasoketa.
Ny fanenjehana anay no indro aseho,
dia melohina 'zahay imason'ny rehetra.

Izahay tsy miteny ve no tiana hararaotina,
sa kosa izahay no mora hambakaina?
Miakanjo efa rovitra dia hoe tsy maontina,
kanefa voalatsa raha miseho mitaraina.

Safo be mantsina ity fitsarana,
hanamelohina anay efa ory.
Dia hampiharana izao karazan-dalàna,
amin-teny vahiny mba ho resi-tory.

Izahay ve no doma sa sendra ny fetsy,
no dia manaiky ny atao toy izao?
Domelin'ny fiainana ka tsy mahalala 'zay mety,
dia afaka hatrany ny ho hararaotinao!
RRAG
17 Aogositra 2020
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207