SAHAN’NY FO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHAN’NY FO…
Tsy mba zaridaina, tsy tanimbary an-dohasaha.
Tsy tanimboly karakaina, fa fo mitepo miendri-tsaha.
Tsy novolena voninkazo, na nambolem-bary akory.
Fa fitsirin’ilay fitia, izay mateti-resi-tory!

Sahan’ny fo fa tsy edena, saha miavaka indrindra.
Ny fitia no fandresena, tokana ka tsy azo hafindra.
Sahan’ny fo tsy paradisa, nefa kanto sady meva.
Tsy mba feno disadisa, tsisy kely sy angeza!

Fitoeram-po mitepo, fivetsom-po misento.
Fanenenam-po nitroatra, fahalefen’ny hararaotra.
Sahan’ny fo fa tsy akany, fitobin’ny mpanam-bola.
Nefa resin-dràtra ihany, na dia niady moramora!

Sahan’ny fo fa tsy tontolo, hanjakan’ireo tsy rariny.
Tsy mba fonja na koa zoga, saha tsy misy taritariny.
Fa saha ho an’ireo mitia, tsy manararaotra fahalemena.
Sahan’olon-droa mifankatia, tsy mba nisy fanerena!

Sahan’ilay fitia nitsiry, niandrasan-ko vaky ravina.
Mazava foto-kevitra, na dia maizina aza ny alina.
Tara-jiro hafa fiavy, manjelatra toa volamena.
Tsy mba misy vato maro, nefa saha be harena!

Sahan’ny fo tsy novidina, tsy nanefana trosa akory.
Ny hatezeran’ny anio, sy ny fo ‘zay sorisory,
toa tsy nahiana ny hitsiry, na hamelana avy aza!
Satria ny fo tahiry ao, dia ‘reo vokatra mihaja.

Sahan’ny fo fa tsisy sento, mandresy ny hafalian’ny tava.
Sahan’ny fo ‘zay isika eto, no ahiana ny handrava.
Ahiana ny hamotika, ka hanosihosy ny hasin-danjany.
Saha tsy misy rehareha, nefa mba omeo ny tena lanjany!

Mba asio hasiny ihany, na dia bitika sy kely.
Na tsy hohajaina toy ny mpanjaka, na tsy atao toy ny anjely!
Fa tsy ny anio ihany no andro, ahafahana mioraka.
Fa mba diniho ny ampitso, sao lahy ianao voatoraka.
Voatoraky ny antsy, izay natorakao!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205