You are here: home > Vetso

SAHIA! - RRAG

SAHIA!
Reseo ny tahotrao,
manana fitokisana.
Ny fahafahanao manao,
aza manaiky ho vizana,
na lemin-draorao!

Sahia mitolona madio,
sahia miady ho an’ny marina.
Reseo ny sedran’ny anio,
tandremo sao tsy malina.

Sahia mandefitra amin’ny rariny,
milefera na  tsy diso.
Dia tsarovy fa ny alina,
no ialohavan’ny ampitso.
RRAG
Janoary 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha