SAMBASAMBA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBASAMBA…
Nilatsaka nanify, ny oran’ny fahavaratra.
Nirintona nidify, ‘lay masoandro mba mpitaratra.
Sambasamba anefa, no nahitany anao,
nijanon-tsy nilefa, niatrika an’izao.
Izay tokoa angaha, ny anilan’olon-tiana.
Tsy misy mampanahy, tsy hananam-panahiana.

Sambasamba ianao, naharitra ny farany.
Sambasamba koa, no nioty ny hatsarany.
Ka na ‘lay oram-baratra, nikija aza tsy nahasakana.
Tsy nanakana anareo, nanakana anareo hiaraka.

Sambasamba koa, ny vavanao no nahateny.
Fa tsinontsinona avokoa, ireny rehetra ireny.
Raha miohatra ny fitiavana, anatin’ny fonao.
Tsy asiana fandàvana, fa tena tia ianao.

Sambasamba izany, mahita ranomaso,
miendrika tomany, nondesin’ny ankaso.
Mirotsaka misafo, ny endri-tavanao,
sendra ny hatsatson’ny fitia ianao.

Sambasamba ireny, mahita anao ‘lay manjoretra.
Mihatakataka eny, miala ny rehetra.
Mangina tsy miteny, asa resin’ady angamba!
Ka ‘ndraindray ombeny ombeny, mahatsapa f’efa jamba.

Sambasamba mihitsy, ny nahitana anao nanoroka.
Nankafỳ ny hamamy, sy ny tsiron’izany.
Angamba kosa tsy hisy, ilay fitia ankosotra.
Toy ny anao fahiny, namela fo hijaly.
Fa sambasamba mantsy, ianao no mba tavela.
Sambasamba izany hoe: “Naharitra ny ela”.
RRAG
04 Aprily 2004
--------
Rohy:
321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217