SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY!
Satriko dia satriko, ho toa azy iny,
ny holalovanao, na dia mba hivahiny.
Handalo hiserana ihany, isaky ny maraina,
famonjinao fodiana, raha sendra rera-tsaina.

Fa izy fandalovana, hita anao matetika!
Izaho tsy hitanao, na dia manova fihetsika,
manao izao sy izao, hanodonanao ny jery.
Fa iny lalan’iny, toa vitanao tsianjery.

Sambatra loatra lahy, raha iny lalana iny!
Niova koa ny fony, ka ianao no tena tiany,
fa mahatsiditsidika, mahavangivangy azy.
Nahazo anao tsy niady, tsy mba nanenjan-tsandry.
RRAG
11 Desambra 2004
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205