SANATRIA KOSA ALOHA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANATRIA KOSA ALOHA…
Sanatria kosa aloha ny hilady aminao
ry olon-tsy tia!
Ny foko tsy hitamby amin’izay natataon’
ny ràtram-pitia!

Sanatriaviko mihitsy ny hanozona anao
raha tsy sila-panahy!
Vetso miampita no hany azo atao
hampifohan’ilay, aingam-panahy!

Sanatria ny hitomany andro aman’alina
fa nilaozanao!
Ny saiko mihitsy no toa efa malina
vao hitia anao!

Sanatriaviko ny hilelaka izany
faladian-tongotrao!
Aleoko ilavitra resin-tomany
toy izay resinao!

Sanatria kosa aloha ny hiverina any
ka hikaroka sento!
Fantatro mihitsy hoe boribory ny tany
ka hihaona eto!

Fa ho sanatria amin’ny androko hoavy
ny hitia anao!
Sanatria kosa aloha e! Ny hifangeja an-tady
fa aleo amin’izao!
Amin’izao ny ahy sy ianao!
RRAG
Mey 2012
--------
Rohy:
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174