SARISARIM-PITIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARISARIM-PITIA...!
Tena fitia iray tsara faka, no natolotro anao.
Fitia tena izy, tsy mba kilalao.
Saingy indrisy, nolotoinao, nosimbainao.
Ka zary namery, hatramin'izao!

Sarisarim-pitia, no natolotrao ahy.
Ny fihetsikao, dia efa nampiahiahy.
Saingy tia moa aho, dia tsy afa-niahotra.
Dia nofenoinao fitaka, sy hararaotra!

Sarisarim-pitia, nandrava ny vinako, no avy aminao.
Fiaretana tsy efako, sady tsy ho vitako, raha mbola toy izao!
Ka aleoko aho hilefitra, ny foko aleo hitony.
Fa raha ny fitiavako, dia tsy ho any intsony!
RRAG
02 Mey 2017
--------
Rohy:
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209