SARONAN-TAVA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARONAN-TAVA…
Tiana a! Tsy hay hotinazanina, ivelan’ny jery,
ny tia sy ny tiana, nandrevo ny fo.
Rivotra mahafanina, mahabadabada teny,
ny endrika fitia, tsinjaran’olon-droa.

Savolaina hamboraka, miahotra ny hiantoraka,
menatra sy drodroky ny ady hosedraina,
‘ty fo ka mitaraina, manahy ny ho folaka!
Ka ho resin’ny saronan-tava, manarona ny an-tsaina.

Tsy hisy hahalala, ny tian’ny lasa ambara,
nefa ao ny hafatra, miafina hampitaina.
Saingy ny hoavy, no ‘ndeha fotory tsara,
hanarona ny fery, sy izay manaintaina.

Rakotra avokoa, izay jineren’ny maso,
misarona tsy tazana, ny hevitra haborany.
Tsy ho fantatrao mihitsy, ny nama-mpiankaso,
raha tsy ianao voadona, sy efa voafitany.
RRAG
07 Aogositra 2019
--------
Rohy:
344 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207