SARY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARY…
Sisasisan-tsary, no navela namantarako,
izay Reniko izay.
Sary efa tontatonta, no sady tsy miloko,
no misy maimay!

Raha banjiniko akaiky, dia toa tanoranora,
ny endri-mitoetra, amin’izay sary izay.
Saingy tsy mba nanan’ora,
fa avy dia any ankoatra, no akanin-dReninay!

Sary no hany fizaràko, ny olam-piainako,
saingy tsy mamaly, izay mba fitarainako.
Indray aza mampitombo, ny fanaintainako,
mampihombo ny sedra, sy ny fery zary fiainako!

Sary naningotra, nanamafy ny aretiko.
Saingy manan-danja, ka tsy maintsy hoentiko,
hanaraka ahy amin’ny lalana ombako.
Satria hantenaiko, ho fampitonian’ny fanahiko!

Sary mangina, no nitoetra ho namako,
nefa iresahako, rehefa aho voafingana.
Io sary io, ‘lay foto-pahavelomako,
tahiry tsy maty, tsy avelako ho ringana.

Neny ô! Tsy haiko akory izay ho atao,
dia aleoko mamihina, ity sarinao.
Fa izy no tady, ifamatorantsika,
amin’ny fiainana eto, sy izay any tsy hita.
RRAG
16 Aprily 2010
--------
Rohy:
375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204