SATRIA TIAKO IANAO...! (2021) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA TIAKO IANAO...! (2021)
Raha manelingelina ny masonao ny tavako
dia aza asiana jery!
Raha manohintohina ny hevitrao ny vavako
dia aza avela hiteny!

Raha atahoranao handràtranao ny tanako
dia ahiliho hiala!
Raha koa mety hamono ny anaranao ny anarako
dia asio famafana!

'Zay sorisorinao aleo hiantoraka amiko
hamafa ny hatezerana!
Ny alahelonao aleo koa indramiko
mba hitsirin'ny felana
an-tsikitsikinao!
Satria tiako ianao!
RRAG
14 Martsa 2021
--------
Rohy:
506 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1207