SATRIKO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIKO… (SAFIDY: 2012)
Raha mba omen-tsafidy, ny hitady filasiana,
dia ny hany sarobidy, ny anilanao ry tiana!
Ka satriko ny ho eo, eo akaikinao,
ny foko sahy haneho, hoe: “Tena tiany ianao!”

Raha mba omena zo, tsy asian-tsakantsakana,
dia haneho ny fo, fa ianao ‘lay tena namana,
tsy mba niravi-tanana, nizoga vesa-po!
ny akinim-piadanana, no naorintsika roa!

Raha tsy tapenam-bava, hilaza izay mba tiana,
ireo be fanantena!
Dia ho toy ny akanin-jaza, maro faniriana,
no foto-pandresena,
anatin’ny fitia, ‘lay tokana fizara!
Nefa sanatria, ny hoe: “Vitsy mpahalala!”

Raha ny tena satriko, dia tsy hisy fo tomany,
tsy hisy rà mandriaka, tsy hisy fo hijaly!
Ary koa ny lasiko, ho lavitra izany,
sady tsy hangatsiaka, no tontolo falifaly.

Satriko dia satriko, ny zo sy ny safidy,
hiray faniriana!
Satriko dia satriko, izy samy izy,
ho lavi-panahiana!

Satriko,
eny! Satriko dia satriko, tsy hotampenam-bava,
tsy avela hitomany, tsy hisy zaha-tava,
ny fiainana eto an-tany!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
408 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205