“SECRET”-ANTSIKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“SECRET”-ANTSIKA…
Ireny fa toa vaky,
ren’iray tanàna,
ny “secret”-antsika.
Nikaoka tao anaty,
nilaozana hafanana,
nitoeran’ny hatsiaka!

Ireny ny tahiry,
nipoitra moramora,
avy any an-dava-panafenana.
Toy ny voa nitsiry,
mamaky moramora,
ny tany nandevenana!

Ireny fa nivoaka,
tsy tanam-boaty intsony,
ny “secret”-antsika.
Toy ny felana nitroatra,
niala tamin’ny vony,
fa saingy tsy tafita!
RRAG
25 Febroary 2013
--------
Rohy:
276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1715