You are here: home > Vetso

SEDRA… - RRAG

Azo vakiana?

SEDRA…
Ry sombin’ny aiko mbola tsy ary,
setrasetrain’ny fiainan’ory.
Mbola tsy toa dia ‘njay mijaly,
tsy avelan-tsedra hitony akory!
Hontsa anao ny foko ry aiko,
‘njay mitroatra nefa tsy afaka!
Vaky hatramin’ny atin-tsaiko,
Manahy sahady anao solafaka!

Ny tany ady isan’andro,
tsy natokana ho an’ny osa!
Aiza ka ny taran’ny masoandro,
dia tsy natao ho an’olon-tsotra?
Fa ho an’ny efa manana,
miahy mampitombo ny an-tanana!
Moa ny fahasambaram-piadanana,
ho hisy anjaranao ve anaka?
RRAG
11 Jona 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha