SENDRA NY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENDRA NY...!
Raha sendra mibaliaka ny andro maraina.
Ny taratra hazavany mameno ny saha.
Dia miarena fa aza malaina,
ny hiatrika ady dia mba sahisahy!

Raha rakofan-javona ny maraim-baovao.
Aza matahotra fa sahia miroso.
Haizina ve no hatahoranao,
hahatonganao tsy hety handroso?

Raha sendra tomany ny fo malahelo.
Dia tanisao ny soa mba ho hitany.
Ka 'reo lasa ratsy miseho mihelohelo.
Hinoako fa tsy ho sakana fa ho voadingany!

Kanefa raha sendra ady mafy ny fo.
Voleo ihany hitsiry Rafanantenana,
amin'izay mbola hioty ny mamy sy soa,
any anatin'ny fiainan’ny fahamarinana!
RRAG
03 Jolay 2015
--------
Rohy:
287 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1425