“SENTIR L'AMOUR”... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialàna tsiny raha nandrafitra tononkalo amin'ny alalan'ny tenim-pirenena roa samihafa aho saingy kosa miezaka ny tsy manimba ny tenindrazana ka mitàna hatrany ny fototra niaingana. Hafa ihany ny tenindrazantsika!

“SENTIR L'AMOUR”...
Fa nahoana no hoe, tsy maintsy hankahala,
kanefa ny fo, mba manana ny heviny?
Ny saina maloto, no mampizarazara,
ny tena avy eo, no milanja ny feriny.

Heloka ve no mahatsapa fitiavana,
raha miziriziry ny fo hankahala?
Ny Noely toy izao no fametraham-pihavanana,
andro ny Tompo, 'lay tsy manan-tsahala.

"Sentir l'amour, est-il interdit",
"si l'amour est toujours, au fond de ton cœur?"
Ny fo ihany anefa, no mahay mitia,
"En créant, ton propre bonheur!"

"Sentir l'amour", anaty fandeferana,
famaritra tantara, tsy misy avonavona,
"Aimer et pardonner", no foto-paharetana,
mametraka "soleil", hampisinda irony zavona.
RRAG
22 Desambra 2017
--------
Rohy:
448 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219