SISAN’AMBOA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SISAN’AMBOA…!
Any anaty nofy any, misy olon-tiana,
tena tia tokoa ka, satry tsy hisarahana.
Any ho any koa no, mitsiry ireo faniriana,
nifamatoram-po, sady nampitambatra.

Any anaty nofy any, misy safo lafovidy,
tsy taka-bolamena, fa dia takalo aina.
Saingy mifaningotra, ny anjara sy safidy,
ka mahavaky fo, sy mampiasa saina.

Indrisy anefa ny eto, tsy toy ny aty nofy,
vazavaza lava, sy tebaka mamay.
Ilavitra fitia, toa tsy mba misy rotsy,
taratra fa roa isika, fa toa tsy mba iray.

Fitia tsy misy, fa adiady lava,
sisasisan’amboa, no nifampizaràna.
Ka dia isan’andro, ranomason-tava,
no manefy alahelo, anaty hikam-pahajambana!
RRAG
12 Jona 2018
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204