SISIN-DALANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SISIN-DALANA...
Iry sisin-dalana iry, ny anay no sekoly,
nianara-namindra hiatrehana fiainana!
Teny tokoa no nisedra ny 'ngoly,
tsy nisy mpijery afa-nitarainana!

Ny karazan-tranga no lesona ianarana!
Na ny adin'alika aza, mba koa, nanatsongana!
Ny arabe mikodana no efitrano fianarana,
teny no nitsiry irony hadalana!

Dia teny maloto no loakan'ny vava!
Ny ompa amin'ireny manginy fotsiny...
Arahana hika sy ireo tabataba,
tenin-dratsy masiso mitsipotipotiny!

Fa teny no nahamafy tefin'ny saiko...
Tsy nilavo lefona amin'ny sedra miseho!
Teo koa no nahatsapan'ny herin'ny aiko,
hoe ny fahafahany dia mbola mitoreo!

Mikaroka mafy sandry hanohana,
tanana hisambotra raha tady hianjera...
Ka namboly tanaty an-dRafahavononana,
handroaka hakamoana tsy ankiera!

Iry sisin-dalana iry no mpampianatra,
nibea anay tsy hilefitra sedra!
Izy avokoa no nieza-nananatra
ny fo sy ny saina tsy hanaiky ho voageja!
RRAG
09 Aprily 2021
--------
Rohy:
267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222