SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…!
Tahotra mafy ny an’ny mpanohitra,
nefa toa fỳ ny seza tadiavina.
Ka na dia efa tsy afa-manohitra,
dia mbola mitady lalana hodiavina!

Kinga ery ry be kasikety,
hamoaka ny basy an-dakazeri…!
Tsy fantatra intsony ‘zay mety sy tsy mety,
fa nidina ny baikon-dRakôlônely.

Mihovitra avy ny iray firenena,
manidy ny tranony hitakokokokoana.
Ka izay rehetra mihenahena,
veloma lery, fa ho Antanimora!

Sokafy ny vava raha te higadra,
hoy ‘ngahy filoha miforitra an-dapa.
Matahotra ery ny naloaka ny vava,
ka ny miaramila no navela hanjaka.

Dia gaboraraka ity firenena!
Ny mpanohitra nitsatsaka ny ady an-dapa.
Ny mpitondra natahotra dia niaro-tena.
Ka ny miaramila no manjakazaka!

Izay ny anao ry fireneko,
sakafom-bahoaka ny tahotra lava.
Nefa ianao tsy afaka ny hotereko,
hanokatra ny vavan’ireo basivava!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199