You are here: home > Vetso

SORATSORATRA... - RRAG

Azo vakiana?

SORATSORATRA...
Nitakoko niandry lera,
namerimberin-tsiaro.
Ny vetsovetso ‘zay tavela,
dia toa fohazin'ny kalo.

Dia noraisina ny penina,
nanoratsoratra ny tena.
Ka nofongarina ireo lalina,
nampitraka nampianjera.

Nirotsaka tsy satry koa,
ny ranomasom-po tavela.
Hontsa loatra izany fo,
ka narafitra ho litera.

Litera hiravina ho tonony,
ho tsiahy ny fahiny.
Hampiantsa irony molony,
hampatsiahy ahy 'lay tiany.

Ka soratsoratra no ainga,
handaniana izato ora.
Tena izy fa tsy lainga,
no nokaloina moramora.
RRAG
16 Febroary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha