SORONA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORONA...!
Raha sendra ianao mandeha, mandalo Moramanga,
mahita tsangambato, tsiaron'irony ady.
Mijanonà kely, ho tsiahin'iretsy olomanga,
resy an-tanam-polo, noho ny dika fady.

Nirehitra ny tolona, romotra ny olona,
tezitra ny Gasy, niady na dia tsy tamim-basy.
Sahotaka ny tany, ny Gasy tena vonona,
fa sendra ireo mpamadika, dia maro teo no maty.

Tanaty lamasiny, tanaty ala maro,
tifitifitra tsy miato, nandripahana 'reo olona.
Gasy kely mba nitolona, tsy nisy mba niaro,
fa 'lay rano! Rano! Rano! No namonoana vorona!

Dia zary lasa sorona, ity tanàna kely.
Rà mandriaka ohatr'izany, no nandoko ity akany.
Fatin-jaza amam-behivavy, tsy mampite-hijery.
Fatin-dehilahy maro, mahalatsaka tomany!

Faty rotiky ny bala, trano ravan'ny tafondro.
Ady tsy hifankahitàna, nanaovan-tsorona ny gasy.
Ka 'reo namana namadika, no tsy niahotra nanondro.
Nampamono ny havantsika, ka mody tsy nitana basy.
Kanefa re ry Malagasy, nofinofy sisa ireny,
satria ankehitriny aza, mampigadra ny miteny.
RRAG
29 Martsa 2017
--------
Rohy:
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018