TABATABA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TABATABA…!
Miantsoantso ny vahoaka, tabataba izany.
Tsy matahotra ho faty, fa dia vonona ny hiady.
Miroso foana! Miroso ihany! Miroso hatrany!
Tsy mifarana! Tsy miato! Tsy mijanona ihany!

Ady! Ady! Ady hoy ianao o!
Ady tsy amin’ny sandry, fa amin’ny fonao.
Rà mandriaka sy faty mitsirara,
voatifitra tafondro, voaripaky ny bala!

Potika! Potika tanteraka ity tanàna manga!
Kila sy rava, ny tao Moramanga.
Ady tsisy fiatoana, ka zary ady lava,
sady hery tsy mitovy, no mbola basy maro vava!

Nampiasaim-pahavalo, namongorana ny Gasy.
Dia ‘lay Gasy tsy mampiasa loha, fa miady amin’ny fo!
Dia ‘lay Gasy tsy mampiasa hery, atody miady amam-bato!
Malagasikely tia tanindrazana, Madagasikarakely!

Ny taona 1947 tao Moramanga, notifirina avokoa ireo olomanga.
Tao anaty “wagon”, tao anaty trano rava; Ay! Moramanga!
Marary izany loha! Marary ny saina! Marary koa ny aina!
Foana ho azy teo, ilay fahafahana, izay nantenaina!

Ny taona 1947, tantara tsy mba maty am-po,
‘lay tabataba izay niseho, teto Madagasikara!
Ny taona 1947, tantara tsy famono, tsiahy ireo mahery fo!
Tsy hohadinoina, fa sarotra vonoina sy sarotra fafana!
RRAG
Martsa 2007
--------
Rohy:
364 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329