TADIDINAO 'LAY TETO O? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TADIDINAO 'LAY TETO O?
Faka iray an-tsaiko, mamatotra ny foko,
mamerina ny tsiaro, izato seza banga,
afovoan-jaridaina, toy ny vao niloko.
Tena tsaroako, fa teo aho no jamba!

Jamba ilay fitiavana, jamban’ny hatsarana,
tia ka te hamihina, 'ty raozy tsy mba ahy,
hany ka voageja, an-tontolo ngazana.
Saingy akaiky ianao, dia nisinda ny ahiahy!

Tsaroanao ve, 'lay maso tsy nitsahatra,
nijery sy nibanjina, ny sori-tavanao,
nivavabava-mafy, ho atosik'ity lahatra,
ho anjaran'ity foko, ho anjarako ianao?

Tadidinao ve, 'lay sangy zary tena,
niendri-bazivazy, naloakan'ity vavako?
Dia nitsiky ianao, toa vony tsara felana,
natosiky ny vintana, hipetraka amin'ny sezako!

'Lay zary sezantsika, sezam-pahatsiarovako,
zary manirery, miandry antsika hiverina.
Dia niandry aho, saingy ianao tsy hitako,
mbola hiandry aho, tsy ataoko mampanenina.

Tadidinao 'lay teto o? Ianao rako-tsiky,
toy ity masoandro, mitara-mibaliaka!
Saingy tamin'iny, nanerika nanify,
kanefa tsy niala, tsy niala teo isika!
RRAG
26 Aprily 2017
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207