TAFITA NY AINA… - RRAG
Azo vakiana?
TAFITA NY AINA…
Isaory ny ao ambony fa, voadingana ny sedra,
tafita ny tetezana, nofisina hiampitaina!
Nivadika ny pejy, niova ny tantara,
tafitan’iny taona, tafitan’iny ny aina.
Na dia mafy aza, ny ola-nosedraina!
Ka pejy vaovao, no hanoratana tantara.
Tafita ny aina, na dia mivesa-joga,
tafita ny aina, na dia maizina ny fonja,
nondesin-kadalana, tanaty hafokana!
Tsy noheverin-tsaina, fa fandikàn-dalàna.
Tafita ny aina na dia, nilaozan’olon-tiana.
Tafita ny aina, ilay revom-paniriana!
Tafita saingy kely, nisy ràtra tsy nampoizina,
mamatotra ny fo, mirimbina ny poizina!
Hitondra fahafatesana, hitondra fahalemena,
hitondra hatrany am-pasana, ‘zay fonjam-paharesena.
Tafita ny aina, saingy indrisy,
fa ny lasa ihany, no mikiry mitampify!
Mamikitra ny tena osa, ao anaty fahaterena.
Mamafa mora ireo trosa, ‘zay natao tam-panekena.
Tafita ny aina, tafita ny ady.
Ny fo mihevitra, f’izay sahady,
dia mifarana ny adidy, nikirizana hitolomana.
Saingy sendra lefim-bao, ‘ty fo tsy mbola niomana!
Tafita ny aina, voadingana ny lasa.
Saingy indrisy, fa mbola io ny ràtra,
mihazona ny tena, anaty fahalemena.
RRAG
12 Janoary 2013
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 17/01/2021
Mpamangy : 60
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VETAVETAINY….MATIMATY FOANA SA?
FO VERY...
KISARISARY FOTSINY...
TSY MISY HANIRY...
ANAKA...
SANATRIA KOSA ALOHA…
ITY FAHOTAKO…
AIZA IREO KARENJY?
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…