TAMBERINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMBERINA…
Indray taona toy izao,
tsaroako mientana ao anaty,
‘reo fifaliana izay voaray,
tamin’ny nahitako anao.

Mitamberina ny lasa,
Mifono, zava-manitra aman-tantely.
Fa ‘lay tsiaro tsy mba maty,
no injay nanova ny fijery.

Misy ireo tena mangidy,
toa mitamberina tsy satry.
Minia mandrotika ny aina,
asa! Mikiry hamono azy ho faty?

Fa ‘lay tena mamy indrindra,
mbola miserana ihany.
Toa hoe mba tsaratsara rindra,
fanafodin’ny tomany.

Ny soa natao tsy mba fanary,
fa hoe fahavalon’ny mosavy.
Hiaro anao mba tsy hianjera,
any amin’ny fiainan-drendrarendra.

Ny tsara tsy mba fanadino,
tantara io ka tsy fandoro.
Tsiahy entim-po miarina,
amin’izay sangodim-panina.

Indray taona toy izao,
nadio tanteraka ny lanitro.
Afaka avokoa ny zavony,
noho‘reo tsikitsikinao.
RRAG
Nôvambra 2009
--------
Rohy:
275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213