TANATY NOFY… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANATY NOFY…Tanaty nofiko iny omaly, ilay sariakàn-tavanao,
ilay nahatonga ahy hifaly, raha vao nanofinofy anao.
Tamin’iny irony tsiky, no nisavovona tan-tsaiko,
taitra aho ka zary indrisy, fa tsy hita intsony ianao.
Tanatin’iny nofiko iny, no nahitako anao tomany!
Tanatin’iny nofiko iny, no nahatsapako fa mijaly!
Mijaly loatra ny fonao, raha iny sendra ianao nangina,
mody tsy niteniteny, eo anoloan’olon-tiana!
Izay ninia tsy nijery!
RRAG
10 Aogositra 2012
--------
Rohy: