TANIVOM-PAHASAHIANA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANIVOM-PAHASAHIANA!
Tanivom-pahasahiana aho, no nihemotra niahotra.
Takaikin’olon-tiana, no nihovitra natahotra.
Nivarahontsana avokoa, ny tena manontoloko.
Nirintona ny fo, toa tsy mba voaonoko.

Tanivom-pahasahiana aho, no nihataka niala.
Tsy te hiantso anao intsony, hiantso anao malala,
fa satriko voakosoka, voafafa moramora,
ny ferin’ny anaranao, nentin’ilay ora,
nandàvanao ny foko, ‘lay nitia anao mangina.
Aleoko izaho ho faty, raha mbola ho fijaliana.

Tanivom-pahasahiana aho, no nisy ilay fandàvana.
Tanivom-paniriana, no tapaka ny lalana,
nita teny ho eny, ho eny aminao.
Ianao ‘lay tsy nijery, no nahatonga ‘ty foko ho lao.

Tanivon’ady maro, no tonga fahasahiako,
fitiavako hifangaro, amin’ilay tiako.
Saingy mitovy ihany, ny faka sy ny fototra!
Satria ny tany, no mbola injay hanototra,
‘lay vatana hody vovoka, tia fa toa tsy tiana.
Toa efa tsy maharototra, ‘ty ozom-pahoriana.

Tanivom-panenenana aho, no nieza-nitamberina.
Toa ny lasa anefa, no reko injay niverina,
nialoha ny hafaliako, namatotra ahy tan-dalako.
Tanivom-pahasahiana vao, vao mainka indray tsy lalako,
ny tena atim-poko, fa mainka, feno fanahiana.
Tanterako ny vina vao, injay aho variana.
RRAG
10 Desambra 2004
--------
Rohy:
253 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222