You are here: home > Vetso

TANORA… - RRAG

Azo vakiana?

Indro tononkalo iray zary faneva sy filamatra hoentiko hitantanana ny fikambanana (Club UNESCO-FTMM Moramanga).

TANORA…
Tanora mifampitaiza, sy mieza-mifanoro.
Mivondrona iray, mba hifanolokolo!
Miray, mihavana, sady mifanaja.
Ny zony ihany koa dia, harena manan-danja!

Firosoana, firaisankina, foto-pandresena,
etsy asandrato, ny hasim-pirenena!
Mifanolora hery, mifanomeza tanana,
fa tontolo vaovao, no iarahana manangana!

Hajao irony sata, fitsipika najoro.
Hajao toy ny maso, sy toy ny didy folo.
Io no lalam-pivoarana, raha vonona ny handroso.
Fa tsy ny fiandaniana, ‘zay nampitsitokotoko!

Beazo iretsy Gasy, sy ireo tanora mila izany,
hahafahany mandinika, ny hoavin’ito tany.
Tolory tanana, omeo teny izay malefaka.
Araho tambitamby, asio tsiky dia tsy ho vesatra.

Fa ho mafy ny finoany, izay ahafahany mitraka.
Ary ho tanteraka ireo nofiny, dia ny ho tompondaka.
Ka hibata fandresena, hisalotra medaly.
Medaly volamena, amboara eran-tany!
RRAG
31 Janoary 2010



Hametraka hevitra

Midira aloha