TAPATAPAK'AHITRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPATAPAK'AHITRA...!
Nisy tafatafa, nifanaovanay sy Fanja...
I Njaka moa tsy teo fa namita adidy...
Tapatapak'ahitra tsy voalanjalanja,
kanefa iankinam-piainana no sady sarobidy...

''''''Fanja a! I Njaka no hitarainana,
sa moa ianao ihany?
Hoe mafy ity ny fiainana,
ady ny eto an-tany!''''''

"Vao o! Tsy hoe sanatria
mody tsy mahatsapa,
fa mafy koa 'nie 'ty e!
Mandoro volon-tratra."

''''''Ny hohanina ry Fanja,
no tena mahaory a!
Sa hanao manjamanja,
dia hanampy mpiari-tory?''''''

"Aiza kosa anefa
no dia tonga hatramin'izany!
Ekeko fa miantefa,
hatrany am-bilany,
ny fahasahirananao!
Kanefa ve, izay no azo atao?"

''''''Fa Fanja ve koa jamba,
tsy mahita ity mosary.
Maina hatramin'ny vava,
tsy nihinana hatramin'ny omaly?''''''

"Tsapa saingy akory,
tsy misy azo atao...
Maro koa ny ory,
raha mihoatra anao!"

''''''Eh! Fa iza moa ry Fanja,
ny hoe tsy ory izao?
Misy aza, manarinary lamba,
fa tsisy atokona ao!''''''
RRAG
13 Mey 2021
--------
Rohy:
226 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663