TARA-JIRON’NY ALIN’IARIVO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARA-JIRON’NY ALIN’IARIVO…!
Ry firenena mamiko,
miavaka ohatr’izany ‘ty hakantonao.
Ianao ry taniko,
no meva toy izao?
Sariaka dia sariaka,
tsy miavon’arahaba,
toy ny masoandro mibaliaka!
Ka ny rahony nisava!

Ny tara-jiron’ito Iarivo,
manjopika ohatr’izany.
Io alina io no ivo,
mandrotsirotsy anao ry tany.
Mampitony anao mangina,
fialantsasatrao mihitsy.
Saingy raha vao tonga ilay maraina,
dia iny indray ianao fa dify!

Foana ho azy ny tara-jiro,
nanazava lalan-kely.
Ny tena aza tsy mba nino,
fa ny ankamaroan’ireny dia efa very.
Efa maty, efa simba,
nosomparan’ny mpisota.
Ilay tena tsara iny indrindra,
no nandao ‘reo tontatonta!

Ny tara-jiron’ny alin’Iarivo,
toy ny hazavana tsy ho lany.
Hazavana an’arivo,
aman’aliny any ho any!
Sisa tsiaronao izy iny,
ry fireneko tiako indrindra.
Hafa ihany ny fahiny,
ny fiainana aza tsara rindra!
RRAG
01 Jolay 2013
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321