TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO!
Eto am-panoratana aho, tsy mbola mahalala,
na mahafantatra akory, anao ilay ho anjarako.
Fa ny penina no hasosako, tsy hasiako salasala,
fa ho tiako ianao, ilay voasoritry ny tantarako.

Tsy ny endri-tavanao, tsy ny bikan’endrikao,
tsy izao tontolo izao, no mety hitiavako anao,
fa ‘lay toetranao malefaka, tia mijery ny madinika,
ilay fahatsoram-po milefaka, tsy manary na dia bitika,
tsy manary ireo ‘zay reraka, noho ny adiadim-piainana,
olon’ny fo tia miresaka, mora fo ka hitarainana.

Mahandry fo iray mihevi-tena, fa tsy tiana saingy tia,
manam-po ‘ray manantena, noho ny hamafin’ny fitia,
mahavita mihazon-tady, atahorana ho tinapaka,
fo iray manaiky sahady, fa vao tia dia tafalatsaka.

Hiandry anao aho, eny hiandry, na tsy hoavy aza ianao,
hiandry anao aho, ary hahandry, na dia tsy ho izao dieny ‘zao,
ary ho hantenaiko foanafoana, fa ho tonga ianao hameno,
na rahoviana ilay fotoana, dia ianao no fantatro mahafeno,
ireo banga eto amiko, ilay fo manaiky ho tiana.
RRAG
12 Septambra 2004
--------
Rohy:
394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179